Kristy fiainantsika

Kristy fiainantsika isan'andro


"Fa Izaho avy mba hananany fiainana sady hananany be dia be"

Jaona 10:10b
Tafakatra eo anatrehan' Andriamanitra ny faharatsian'ny firenena
Thème du mois : Manapaka amin'ny fahefany ny Tompo

Tafakatra eo anatrehan' Andriamanitra ny faharatsian'ny firenena

"Mitsangàna, mankanesa any Ninive, ilay tanàna lehibe, ary miantsoa ny amin'ny hamelezana azy, fa tafakatra eto anatrehako ny faharatsiany"

Ny Soratra Masina manontolo dia samy milaza izany avokoa. Naringan' Andriamanitra ny olona noho ny faharatsiany tamin'ny andron'i Noa. Nandatsahan' Andriamanitra afo avy tany an-danitra Sodoma sy Gomora noho ny fahafetavetany. Nikasa handatsaka afo avy any an-danitra koa Andriamanitra noho ny faratsian'i Ninive.

Tsy tonga dia notanterahiny nefa izany fa mbola niala nenina ka naniraka an'i Jonà hampibebaka azy Izy. Manao ahoana ny firongatry ny faharatsiana eto amin'ny firenena? Maniraka anao hijoro ho vavolombelona sy hitory filzantsara tahaka an'i Jonà Andriamanitra.

Vavaka:

Ny fiala-neninao anie hitarika ny mpitondra sy ny vahoaka hibebaka. Amen!

🎧 Henoy : Kristy fiainantsika isan'andro, androany 23 juin 2026

S'abonner aux partagesHijery ny hafa
Mombamomba

23 juin 2026

65 vues

1 min


Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady

Mpanoratra ny hafatra

Posté par :

Mihossiraman

Manapaka amin'ny fahefany ny Tompo

Perikopa FJKM, jona 2026

Tafakatra eo anatrehan' Andriamanitra ny faharatsian'ny firenena
Tafakatra eo anatrehan' Andriamanitra ny faharatsian'ny firenena
Hamaky ny tohiny

Kalandrie