Kristy fiainantsika

Hetra tsara tantana


Hetra tsara tantana
Thème du mois : Manapaka amin'ny fahefany ny Tompo

Hetra tsara tantana

"Fa noho izany no andoavanareo vola hetra; fa mpanompon'Andriamanitra mitandrina izany zavatra izany indrindra ireny"

Mbola manatitrantitra sy mamerimberina sy Soratra Masina fa mpanompon' Andriamanitra ny mpitondra fanjakana, tahaka ny mpitandrina. "Mitandrina izany zavatra izany indrindra ireny". Tsy azo atao kitoatoa ny fitandremana ny volam-panjakana. Tantanana araka ny fahamarinana mba hanatsarana ny fiainam-bahoaka. Izany no tsy maintsy handoavana hetra. Nandoa hetra Jesoa tety ambonin'ny tany.

Ianareo mpiasan'ny fitantanam-bolam-panjakana rehetra, mioava tahaka an'i Zakaiosy niteny hoe : "ny antsasaky ny fananako omeko ho an'ny malahelo; ary raha misy zavatr'olona nalaiko tamin'ny fanambakana, dia honerako avy efatra heny izany" - Lioka 19:8

Vavaka:

Mba ho voatantana amin'ny fahamarinana anie ny hetra naloan'ny vahoaka

🎧 Henoy : Kristy fiainantsika isan'andro, androany 22 juin 2026

S'abonner aux partagesHijery ny hafa
Mombamomba

22 juin 2026

68 vues

1 min


Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady

Mpanoratra ny hafatra

Posté par :

Mihossiraman

Hikaroka fisaintsainana hafa

Tetiandro