Tena manafa-doza ny fibebahana marina

Tena manafa-doza ny fibebahana marina
"... ary miverena amin'i Jehovah Andriamanitrareo; Fa mamindra fo sy miantra Izy, mahari-po sady be famindram-po ary manenina ny amin'ny loza"
Manenina amin'ny loza nokasainy notanterahina Andriamanitra rehefa mahita ny olona mibebaka marina tokoa. Najanony ny fikasany handatsaka afo avy any an-danitra rehefa nibebaka ny mpanjaka sy ny vahoakan'i Ninive. Natsahany ny fikasàny handringana ny Zanak'Israely izay niankohoka tamin'ny sarin'ombilahy kely volamena rehefa nifona ho azy ireo i Mosesy. Tsy nahazo famindram-po Sodoma sy Gomora na dia nifona ho azy ireo aza Abrahama satria tsy nahitana olo-marina folo tao.
Andeha hiverina amin' Andriamanitra isika malagasy mba hitsaraharan'ny zava-doza efa mihatra sy mbola mananontanona ny firenentsika.
Vavaka:
Tariho ho amin'ny fibebahana marina ny malagasy mba hijanon'ny loza mitatao eto amin'ny firenena. Amen
25 avril 2026
22 vues
1 min
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady
Mpanoratra ny hafatra
Mihossiraman