Samia miaiky ny helony

Thème du mois : Mpandresy ny Tompo
Samia miaiky ny helony
"Hatramin'ny faladia ka hatramin'ny loha dia tsy misy izay tsy marary, ..."
Iza no tena ratsy ê? Ny mpitondra fanjakana manao hoe : ny vahoaka no sarotra entina; ny vahoaka manao hoe : mangoron-karena fotsiny izay tonga eo amin'ny fitondrana. Ny ray aman-dreny manao hoe : maditra ny ankizy ankehitriny, ny ankizy manao hoe : tsy miraharaha anay ny ray aman-dreninay. Mifampiampanga ny mpivady, ny kristiana sy ny mpitondra fivavahana ... "fa samy efa nanota izy rehetra" - Romana 3:23 MG1865. Ny fibebahan'izy rehetra no mitondra ho amin'ny fanasitranana.
🤲 Vavaka:
Ampahirato ny masom-panahinay malagasy dia samy hahita ny fahamasinanao izahay dia samy hiaiky ny helokay avy fa tsy hifampiampanga sy hifampitsara. Amen
Mombamomba
23 avril 2026
117 vues
1 min
Mpanoratra
R
RANDRIAMALALA Emmanuel mivady
Mpanoratra ny hafatra
Posté par :
Tahinasoa