Ny olon'ny finoana? misaotra mialoha !

Thème du mois : Mpandresy ny Tompo
Ny olon'ny finoana? misaotra mialoha !
"... Ary Jesosy dia nanandratra ny masony ka nanao hoe: Ray ô, misaotra Anao Aho, fa efa nihaino Ahy Hianao"
Resin'i Marta sy Maria ny tsy finoany. Noesoriny ny vato. Hatreo no nandrasan'i Jesoa taminy. Rehefa vitanao ny dingana, nankatoavinao ny baikon'i Jesoa, nasehonao ny finoanao dia matokia, asehony anao fa velona Izy.
Mampianatra antsika ny vavaka atao amin'ny finoanao Jesoa. Nisaotra an' Andriamanitra sahady Izy na dia mbola tao am-pasana aza Lazarosy. Ny mpandresy amin'ny finoana dia mahita mialoha ny valim-bavaka. Misaora mialoha dia hohitanao ny voninahitr' Andriamanitra.
🤲 Vavaka:
Tariho ny masonay hibanjina sy hisaotra anao Andriamanitra Rainay mpamaly vavaka mahefa sy mahatanteraka ny zavatra rehetra. Amen.
Mombamomba
22 avril 2026
92 vues
1 min
Mpanoratra
R
RANDRIAMALALA Emmanuel mivady
Mpanoratra ny hafatra
Posté par :
Mihossiraman