Mpanompon’ Andriamanitra tsy baikon'ny vola

Mpanompon’ Andriamanitra tsy baikon'ny vola
"... fa, indro, teny mamy no lazain'ny vavany, nefa ny fony dia lasa manaraka ny filan-karena"
Nodokadokafan'ny olona i Ezekiela rehefa nanambara mahitsy sy mazava ny tenin' Andriamanitra mampibebaka. Hoy ny Jiosy: "Marina izany! Misaotra anao nitondra ny hafatra! Tsy misy mpanompon' Andriamanitra sahy manitsy anay tahaka anao ... Tohizo foana ..." Dia inona no nataon'izy ireo? Notohizany ihany ny filan-karenany! Mangalatra, manao kolikoly, manampatra fahefana, miankohoka amin'i satana. Tsy mahagaga raha toy izao ny fiainam-pirenena. Ny mpitondra fivavahana sasany vao mahazo fandokafana dia mangina. Mila fifonana izany rehetra izany!
Vavaka:
Tompo ô, mba tsy ny herin'ny vola no atao ambony mihoatra noho ny fahefan'ny teninao, mba tsy hanompo vola ny mpanompon' Andriamanitra. Amen
27 avril 2026
56 vues
1 min
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady
Mpanoratra ny hafatra
Mihossiraman