Miantsoa fibebahana

Thème du mois : Mpandresy ny Tompo
Miantsoa fibebahana
"Ezaho ny fiantsonao, fa aza atao malemy, Asandrato ny feonao ho tahaka ny an'ny anjomara, ka ambarao amin'ny oloko ny fahadisoany Ary amin'ny taranak'i Jakoba ny fahotany; Nefa Izaho mbola tadiaviny ihany isan'andro isan'andro, ..."
Olon' Andriamanitra, mpitady Azy isan'andro izany tsy mety miala amin'ny fahadisoany sy fahotany izany. Izany no anton'ny anaovana antso mafy sy miverimberina toy izao mba hialan'ny olon' Andriamanitra, nantsoina tamin'ny Anarany, amin'ny ratsy fanaony.
Vavaka:
Ampio izahay hiezaka hiantso mafy mba hibebahan'ireo mitady anao isan'andro. Amen
Mombamomba
26 avril 2026
43 vues
1 min
Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady
Mpanoratra ny hafatra
Posté par :
Mihossiraman