Manahaka an'Andriamanitra mpanao ny tsara

Manahaka an'Andriamanitra mpanao ny tsara
"... Ny Raiko miasa mandraka ankehitriny, ary Izaho koa miasa"
Vao manokatra baiboly isika dia Andriamanitra miasa no tantaraina ao. Hoy ny Genesisy1:31 "Ary hitan'Andriamanitra izay rehetra nataony, ary, indro, tsara indrindra izany". Ny tena zanak' Andriamanitra dia manao asa tsara manahaka ny Rainy. Mihanaka eto amin'ny firenena ny asa ratsy; halatra, kolikoly, fanaovana an-keriny, fivarotana zava-mahadomelina ... Maro amin'ny kristiana no mbola tsy afaka amin'izany. Inona no antony? Tsy mba noraisiny ho azy ilay asa tsara sy lehibe indrindra dia ny famonjena tamin'ny alalan'i Jesoa.
Raha avelanao hiasa ao anatinao Jesoa dia fitoriana filazantsara avokoa ny asa rehetra ataonao.
Vavaka:
Mba hovoarain'ny kristiana anie ny asa tsara indrindra nataon'i Jesoa, dia hanahaka an' Andriamanitra Tsara sady Mpanao ny tsara ny kristiana malagasy. Amen
1 mai 2026
151 vues
1 min
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady
Mpanoratra ny hafatra
Mihossiraman