Izay tia an'i Jesoa no mpandresy

Thème du mois : Mpandresy ny Tompo
Izay tia an'i Jesoa no mpandresy
"Kanefa amin'izany rehetra izany dia manoatra noho ny mpandresy isika amin'ny alalan'ilay tia antsika"
Tia an'i Jesoa ve ianao? Fanontaniana mila valiny izany tahaka izay napetrany in-telo tamin'i Petera hoe : "Simona zanak'i Jaona, moa tia Ahy ve ianao?"
Raha eny, mety misy zavatra hampiala ny fitiavanao Azy ve? Resy ianao raha misy zavatra hafa toy ny fahoriana, na vola aman-karena, na olombelona, na fahafinaretana, na tahotra mbola tinao mihoatra noho Izy. Raha fantatrao ny haben'ny fitiavany anao dia ho tia Azy foana ianao, tsy misy atakalonao Azy, na inona na inona, ataonao mandrakariva izay mahafaly Azy.
Vavaka:
Jesoa ô! Sokafy mandrakariva ny foko sy ny saiko hahalalako ny haben'ny fitiavanao ahy dia tsy hisy hahasaraka ahy Aminao. Amen
Mombamomba
29 avril 2026
249 vues
1 min
Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady
Mpanoratra ny hafatra
Posté par :
Mihossiraman