Hatraiza ny fitiavanao an' Andriamanitra?

Thème du mois : Mpandresy ny Tompo
Hatraiza ny fitiavanao an' Andriamanitra?
"... na inona na inona amin'izao zavatra ary rehetra izao, dia tsy hahasaraka antsika amin'ny fitiavan'Andriamanitra izay ao amin'i Kristy Jesosy Tompontsika"
Tsy misy na inona na inona afaka mampisaraka ny tena mpifankatia. Tsy voasakan'ny halavitry ny tany sy ny lanitra ny fitiavan' Andriamanitra, fa tonga nofo tety Jesoa hitady sy hamonjy ny very. Izay babon'izany fitiavan' Andriamanitra izany dia tia Azy ka tsy misy mahasaraka azy amin' Andriamanitra na fahoriana, na fanenjehana, na harena sy voninahitra.
Hatraiza ny fitiavanao an' Andriamanitra? Fa tsy nisy fetra ny fitiavany anao, ny ain'ny Zanany aza nafoiny ho anao.
Vavaka :
Mba ho lalim-paka anie ny fitiavany Anao Andriamanitra. Amen
Mombamomba
30 avril 2026
39 vues
1 min
Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady
Mpanoratra ny hafatra
Posté par :
Mihossiraman