Fampibebahana fa tsy fandokadokafana

Fampibebahana fa tsy fandokadokafana
"Koa, indro, ianao dia ataony ho tahaka ny mpanao hira mahafinaritra, izay tsara feo sady mahay mitendry; fa mandre ny teninao izy, nefa tsy mety mankatò azy"
Ataon'ny kristiana tahaka ny mpanao hira mahafinaritra ny sofina koa ny mpitoriteny. Misy koa ny mpitondra fivavahana mandokadoka ny mpihaino azy mba hahazoam-bola. Tsy azo atao ny manao teny manindrona hany ka tsy mibebaka ary manohy ny ratsy fanaony ny kristiana. Dia izay mahafinaritra ny olona no atao ê! Hira mahafinaritra, zava-maneno isan-karazany mampihetsi-po, jiro, ravaka, setroka, fanamiana mahafinaritra, izany indraindray no asolo toriteny. Dia faly ny olona ary mitehaka! Dia mankato ny hafatra noraisiny tamin'ny hira ve ny olona? Takona tanteraka Jesoa sy ny hazo fijaliana, tsy misy fibebahana, ny fahafinaretana no lehibe indrindra!
Vavaka:
Mba tsy hatao ho fahafinaretan'ny sofina anie ny fandrenesana ny teninao fa mba hitondra ny kristiana ho amin'ny fibebahana sy fankatoavana anao. Amen!
28 avril 2026
55 vues
1 min
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady
Mpanoratra ny hafatra
Mihossiraman