Kristy fiainantsika

Aza voafitaky ny fihetsiketsehana ivelany


Aza voafitaky ny fihetsiketsehana ivelany
Thème du mois : Mpandresy ny Tompo

Aza voafitaky ny fihetsiketsehana ivelany

"Ary ny fonareo no triatriaro, fa aza ny fitafianareo ..."

Aza manao sarimihetsika hisarihana mason'olona. Henoy tsara Andriamanitra manambara ny fitiavany anao. Tsy mandona ny fonao ve izany? Inona no asetrinao izany? Triatriaro ny fonao. Avelao handrasarasa sy hanindrona ary hampibebaka anao ny Tompo miteny aminao. Aza miaro-tena, aza manafina fahotana. Tandremo ny fihatsaram-belatsihy. Ny olona tsy mahita afatsy ny ivelany mamitaka fa Andriamanitra kosa mandinika ary te handroaka ny aizina ao am-po. Ataovy marina ny fibebahana.

Vavaka:

Aza avela ho voafitaky ny fonay hanao fibebahana sandoka sy fombafomba izahay fa hampiharihary ny miafina rehetra Aminao Mpamela heloka. Amen


S'abonner aux partagesHijery ny hafa
Mombamomba

24 avril 2026

111 vues

1 min


Mpanoratra
R
RANDRIAMALALA Emmanuel mivady

Mpanoratra ny hafatra

Posté par :

Mihossiraman

Hikaroka fisaintsainana hafa

Tetiandro