Kristy fiainantsika

Aza mamita-tena


Aza mamita-tena
Thème du mois : Mpandresy ny Tompo

Aza mamita-tena

"... Henika aretina avokoa ny loha rehetra, Ary marary ny fo rehetra."

Fa maninona no marary fo? Hianao ve hahazaka handeha irery hiatrika izao fiainana izao? Izany no mahazo ny olona tafasaraka amin' Andriamanitra, tsy mibebaka!

Mihevi-tena ho manan-karena, mahay, manam-boninahitra, matanjaka kanefa marary. Andevon'ny fahotana. Miseho ho manan-karena fa mahantra fiadanam-po, miseho ho azy ho matanjaka nefa resin'ny halatra, ny fijangajanga sy ny zava-mahadomelina, miseho azy ho mahay nefa tsy mahay ny sitrapon' Andriamanitra. Marary! Manasitrana anao Jesoa! Manetre-tena ary mibebaha.

🤲 Vavaka:

Izay lohany rehetra eto amin'ity firenenay ity, na mpitondra fanjakana na mpitondra fivavahana, ampahafantaro azy ny aretiny dia ampibebaho izy. Amen


S'abonner aux partagesHijery ny hafa
Mombamomba

20 avril 2026

25 vues

1 min


Mpanoratra
R
RANDRIAMALALA Emmanuel mivady

Mpanoratra ny hafatra

Posté par :

Tahinasoa

Hikaroka fisaintsainana hafa

Tetiandro