Anjaranao ny manaisotra ny vato

Anjaranao ny manaisotra ny vato
"Dia nesoriny ny vato ..."
Mpandresy Jesoa! Manaiky Azy ho Tompo ve ianao? Raha eny, porofoy amin'ny fanesoranao ny vato misakana tsy ahafahan'i Jesoa maneho ny voninahiny eo amin'ny fiainanao izany. Marta sy Maria nanaisotra ny vaton'ny varavaram-pasana dia nitsangana tamin'ny maty ny anadahiny. Tsy anjaran'i Jesoa ny manaisotra ny vato fa hetsika andrasany aminao. Esory ny vatolampin'ny tsy finoana. Minoa fa afaka manova anao Jesoa. Manafaka anao amin'ny fahazaran-dratsy Izy. "Tongava aminao araka ny finoana" hoy Izy, raha tsy izany dia tahaka ny mihidy ao am-pasana ianao noho ny tsy finoanao. Voafindranao io vato io!
🤲 Vavaka
Reseo lahatra amin'ny Fanahinao sy ny teninao izahay kristiana malagasy hanaisotra ireo vato samihafa manakana ny valim-bavaka tsy ho tonga aminay. Amen
21 avril 2026
41 vues
1 min
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady
Mpanoratra ny hafatra
Tahinasoa